Ny ivon-toerana Mitantana

MANAMPY IREO ANKIZY AO AN-TANAN’AMBOVO HANANA HO AVY

Ankizy 270 misy miantoka

Ahitana sekoly fanabezana fototra, akanin-jaza, trano handraisana ireo zaza avy amin’ny fianakaviana tena sahirana, toerana fisakafoanana ary trano fisasàna ny Ivon-toerana Mitantana, ao amin’ny tànana kely ao Ambovo, kaominina Ambohidratrimo (ambanivohitr’Antananarivo).

Mba hahatanteraka tsara ny asanay, hanorina ho avy ho an’ireo ankizy ireo, dia manampy azy  izahay mandritra ny fotoana hianarany rehetra. Manomboka any amin’ny akanin-jaza hatrany amin’ny Oniversite. Miantoka ny saram-pianarana rehetra sy ny fitaovana rehetra ilaina amin’izany ny Ivon-toerana Mitantana.

Tena tsara ny fampianarana omena ireo ankizy ireo, amin’ny teny gasy sy teny frantsay. Mahafinaritra be ny toeram-pianarana, ankizy 35 fotsiny no ao an-dakilasy iray (raha 70 ny ankizy hita matetika any amin’ny sekoly hafa eto Madagasikara)

NY SEKOLY

Ahitana kilasy 5 ny sekoly fanabeazana fototra (CP1 hatramin’ny CM2)

4 taona ny zaza dia azo raisina ao amin’ny akanin-kaza. Misy kilasy 2 ao.

NY TOERANA FISAKAFOANANA 

Mba hiadiana amin’ny tsy fahampian-tsakafo, zaza 270 no mihinana sakafo mafana iray, ny alatsinainy ka hatramin’ny alarobia.

Ary satria fantatra ny fahoriana mianjady amin’ny fianakaviana sasan-tsasany ao an-tànana dia antsoin’ny misiona izy ireo hisakafo maimaimpoana ao amin’ny Ivon-toerana.

 

 NY TOERANA FISASANA 

Eto Madagasikara dia mbola manahirana ny hahazoana rano madio. Ny tsy fahampian’ny fidiovana dia miteraka aretin-koditra, fivalànana mahakasika manokana ny zaza latsakin’ny 5 taona.

Mba hisorohana izany loza izany, dia nanao trano fisasàna 5 ary nandavaka fatsakàna iray.

 

MANODIDINA NY SEKOLY : Hahafahan’ny ankizy hivelatra sy hanokatra ny ho aviny

Ny fankalazàna ny fitsingerenan’ny taona nahaterahana : Isam-bolana dia fialam-boly sy sakafo maivana no hatolotra ny ankizy nahatratra fitsingerenan-taona.

Fitsidihana parka nasionaly : Croc Farm

Trano famakiam-boky : Centre Anani

Fitsidihina orinasa : Big Cola

Zavatra hafa atao ivelan’ny ora fianarana : Royal Ranger

Raha te hanohana
Manohàna ankizy iray

Amin’ny alàlan’ny 30€ isam-bolana ianao dia afaka manohana ankizy iray, hahafahany handeha hianatra, handraisany fitsaboana, hihinanany sakafo...

Raha te hanampy
HANOME FANAMPIANA

Na tsy manohana ankizy iray manokana aza ianao, ny fanomezanao indray mandeha na mitohy dia miasa hanatsara ny ho avin’ireo ankizy ao amin’ny Ivon-toerana Mitantana...

Qualified teaching

Children in the Mitantana center receive instruction from qualified teachers.

Healthcare

Children at Mitantana Center receive basic medical care with the help of Mobile Hilfe Madagascar

Welfare

Children from Mitantana center benefit from assistance and support missions in rural areas